TARATRY ny KANTO

Tontosa antsakany sy andavany ireo fampisehoana tany amin’ny ilany atsimon’ny Nosy, Ambo­vombe, Amboasary, Taolagnaro… Nisy ny fampisehoana anaty efitrano. Tao ny teny amin’ny toerana malalaka. Mampiavaka an’i Zook Davids ny « EPP Tour ». Hive­rina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina indray ny seho manaraka. Amin’ny sabotsy 15 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ankadikely Ilafy.
Fampisehoana roa amin’ny faran’ny herinandro no hotanterahin’ny Tanora Masina Itaosy. Ao amin’ny FJKM Ivandry Firaisana, ny sabotsy 15 novambra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Eny amin’ny FJKM Ambohitrolomahitsy kosa ny ala­hady 16 novambra, amin’ny 2 ora sy sasany. Nanamafy ity antoko mpihira ity fa: « Anisan’ny tena tianay ny mamangy toerana somary ambanivolo tahaka izao… Tsy ho latsa-danja amin’ny seho hatramin’izay ny ho hitan’ny rehetra ».
Tsy ampy ny malama vava! Anisan’ny lesoka goavana eo amin’ny tontolon’ny kabary ny fananana mpikabary malama vava, kanefa, tsy mahafehy na tsy mahafantatra akory ny vontoatin’ny ambarany. Ny tranga tahaka io no iray nosorohin’ny Malagasy, fahiny. Tsy afaka mikabary, na tsy nikabary ny lehilahy raha tsy efa nandia fiainana lava. Tafatoetra eo amin’ny toeran’ny raiamandreny. Izany hoe, sady manan-kambara no anti-panahy… Ankehitriny, niova izany. Nitondra inona teo amin’ny kabary ilay fiovana?

Partager sur: