Raharaha SMGD – Cnaps – CUA : Niakatra teny amin’ny Pac omaly

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ny raharaha SMGD sy Cnaps. Anisan’ny nohenoina ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa sy tomponandraikitra ambony vitsivitsy.

Mihazakazaka ny toe-draharaha momba ny raharaha SMGD sy ny Cnaps ary ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Nohe­noina teny amin’ny biraon’ny Sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly na Pôle anti-corruption ( Pac) ny olona voalaza fa manana fifandraisana amin’ny antontan-taratasin’ady. Ani­san’izany ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala. Niaraka taminy koa ny tale jeneralin’ny SMGD sy ny tale jeneralin’ny Cnaps. Niaraka tamin’izy ireo ihany koa Andriantsitohaina Claudia, vadin’ny minisitra sady ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Mari­hi­na fa notazonina teny amin’ny Bianco, nanomboka ny 9 no­vambra, ity renim-pianakaviana ity.

Madio
Nanamafy Ravololo­mana­na Lalatiana, mpanolo­tsaina ao amin’ny CUA, fa afa­ka mijoro hatao vavolombelona ny tenany, raha ilaina, fa madio sy man­­garahara ny fitantanana, fony Andriantsitohaina Naina no ben’ny Tanàna, tamin’izany fotoana izany. Tsy nisy velively ny fanodikondinam-bola tao fa narahina daholo ny dingana ara-dalàna rehetra. Tsy misy idiran’ny vadiny, Andrian­tsitohaina Claudia, mihitsy ny raharaha, ka tsy rariny ny fitazonana azy. Tsy mpiasa tao amin’ny CUA na ny SMGD ny tenany.

Olona am-polony
Maromaro ny olona niakatra teny amin’ny Pac, omaly. Anisan’izany, Andriantsito­haina Claudia, ny ben’ny Ta­nàna Ramanantsoa Harilala, ny tale jeneralin’ny Cnaps teo aloha, Rakotondraibe Mamy, ny filohan’ny GEFP, Ramatoa Béatrice Chan Ching. Teo koa ny tale jeneralin’ny SMGD, Andriamananony Thierry, ny mpikambana anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Cnaps, sns. Hatramin’ny fotoana na­no­ratana, omaly hariva, tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitry ny Pac, fa mbola nandeha ny fakana am-bavany azy ireo. Nisy olona maromaro tonga teny amin’ny Pac 67 Ha ihany koa, omaly, nilanja sora-baventy, mitaky ny hamoahana an-dRamatoa Andriatsito­haina Claudia.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: