“Resy lahatra ny lehiben’ny governemanta fa tokony ho hentitra amin’ny sehatra rehetra ny fampiharana ny lalàna, ka nandidy tsy hanavahana na inona na inona toerana sy/na satan’ny olona iray.” Io ny toromariky ny Praiminisitra ho an’ny minisitry ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny taratasy lah. 053-PM/25, ny 6 novambra lasa teo, nampitain’ny serasera eo anivon’ny Primatiora, Mahazoarivo, omaly. Ho fampiharana ny fanavaozana sy ny fampiroboroboana ny mangarahara amin’ny fitantanana raharaham-bahoaka, anisan’ny tari-dalana politika fototry ny governemanta ny fitovian’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna. Tsy misy tomponandraikitra afa-kiantehitra amin’ny zo tsy ho azo henjehina amin’ireo tranga tsy mifandray amin’ny andraikitra na asam-panjakana sahaniny. Hafainganina koa ny fitsarana amin’ny tsy fanarahan-dalàna rehetra hita ao anatin’ny tatitra sy ny fanaraha-mason’ny fitsarana momba ny kaonty. Tsy maintsy dinihina sy tombanana amin’ny lafiny heloka bevava izany; raha ilaina, enjehina araka ny lalàna.
Noho izany, entina eo anatrehan’ny fitsarana iraisan’ny daholobe ny raharaha rehetra maka endrika heloka bevava. Azo heverina ny ho fandraisana anjara mivantan’ny fanjakana mipetraka ho mpitory izany, hanamafisana ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena sy ny fananam-bahoaka. Tafiditra ao anatin’ny dingan’
ny fanadiovana sy fanarenana ny fitantanana ny raharaham-panjakana io fepetra io, mikendry ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanjakana sy ny politikan’ny fanavaozam-pirenena.
Tanjona ny tamberin’andraikitra sy ny mangarahara, ho famongorana tanteraka ny tsimatimanota eo anivon’ny rafitra sy ny fitantanam-panjakana.
R. Nd.




