FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fandraisana anjaran’i Madaga­sikara amin’ny filankevitra maharitra faha-132 eo anivon’ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay sy ny fi­kaonandoha faha-46 an’ireo minisitry ny fikambanan’ny firenena miteny frantsay hatao any Kigali, Rwanda, amin’ ny 18-20 novambra ho avy izao.
Tokony ho efa apetraky ny governemanta ny daty hanaovana ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny governoran’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramaroson Jacques, tany Fenoarivo Atsinanana, omaly. Amin’izany no hanapahana ny datin’ny fifidianana rehetra. Manentana ny rehetra izay manana ny fahaiza-manao ny amin’izany handray anjara izy.
Manohy ny asany andavanandro ny Anteni­mierandoholona, araka ny nambaran’ny filoha mpisolo toerana, i Ndremanjary Jean-André, teny Anosy, omaly. Efa feno 18 ny mpikambana eo anivon’ny Anteni­mieran­doholona izao. Andrsana ny handinihina ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2026, eny amin’ny Antenimierampirenena amin’izao.
“Raha mifanaraka amin’ny fitondrana rosianina, tsy midika ho fandravana ny fifanarahana atao amin’ny Frantsay. Tsy midika ho fandroahana Frantsay koa izay. Aleo mba hisokatra amin’ny firenen-kafa i Madagasika­ra”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randriana­soloniaiko Siteny, teny Ambohidahy, omaly, taorian’ny na­naterany fanambaram-pananana tao amin’ny HCC

Partager sur: