Samy nanaposaka ny heviny. Tao ny sokajy nilamindamina kokoa, fa nisy kosa ireo nahitana adihevitra nafana. Voaresaka avokoa ny olan’ny sehatra rehetra manodidina ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny harembakoka, omaly.
Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina teny Anosy, omaly. Namaly ny fanasan’ny minisiteran’ny Seraasera sy ny kolontsaina izy ireo, mahakasika ilay fakan-kevitra momba ny sokajy rehetra anatin’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Tsy antonona ny efitrano malalaky ny havoria tamin’ny fanokafana, soa fa nozaraina isaky ny sokajy misy azy ireo mpisehatra, nanamoraina ny fakan-kevitra.
Nahitana adihevitra nafana indrindra ny tao amin’ny sokajy fomba sy ny nentim-paharazana. Teo koa ny sarimihetsika sy ny mozika. Nilamindamina kokoa ny sokajy hafa toy ny kabary, teny malagasy, literatiora, dihy, teatra, sns.
“Somary takona kely foana ilay kolontsaina malagasy, kanefa tena mivelatra be mihitsy. Maro ny olana toy ny Omda, sarimihetsika, taombaovao malagasy, vakoka, satria ny tomponandraikitra teo aloha nanao teny midina foana fa tsy nihaino ireo mpisehatra. Anton’izao fakan-kevitra izao ny hihainoana ny olana sy ny vahaolana. Raha misy asa maika vitan’ny minisitera dia tanterahina. Raha misy mila mikitika rijan-teny dia miroso mankany isika. Tsy ho tompontrano mihono ny mpisehatra. Tsy eto Antananarivo ihany fa efa nisy tany amin’ny faritra koa, izay hitohy rahampitso. Hatambatra ireo mba hahafahana manitsy tsikelikely, anatin’ny fohy ezaka na lavitra ezaka”, hoy ny nambaran’ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar, omaly.
Hatsangana ny komity
Nanangona ny tolo-kevitra no tena nimasoana, saingy tonga tamin’ny fifandonana ara-kevitra ihany ny tao amin’ny efitrano Rado. Nisy ny fivorian’ireo raiamandreny ara-drazana, mpitan-kasina, mpanandro, mpimasy, mpanazary, sns. Mazava loatra fa ny mahakasika ny taombaovao malagasy hatraany no nahitana fifandonana teo amin’ireo samy mitazona ny heviny. “Andao tsy hiady hevitra aloha anio fa hanome tolo-kevitra. Hisy komity hatsangana, fa izahay fitaovana fotsiny. Resy lahatra aho fa ny fomba no hahafahana mampandroso an’ity Madagasikara ity. Avy aminareo ny vahaolana ary izay mampiray no hamafisintsika”, hoy ny antso nataon’ny minisitra ho an’ireo mpisehatra tao amin’ity sokajy nafana ity.
Fanombohana ihany ny fakan-kevitra. Hisy ny komity hamondrona azy ireny, ijeren’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izay vahaolana tandrify ny minisitera. Hitohy amin’ny fijerena ny fantanterahana ny vahaolana fohy ezaka, sy hanomboka ny lavitra ezaka izany.
Zo ny Aina




