« Soraty ho tadidy ». Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny tarika Solika. « Ndao hiara-hikalo indray ireo hira fahiny, tsy afaka am-bavantsika hatramin’izao », hoy izy ireo raha nanasa ny olon-drehetra ho tonga eny an-toerana, ny zoma 5 desambra izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Marihina fa iray amin’ireo tarika efa ela niorenana sy nikajiana ary namerenana ny kalon’ny fahiny ny Solika. Ankoatra ny fihirana. Mahafantatra sy mirakitra tantara momba ny hira fahiny ry zareo.
“Mbarakalin’ny Havàtsa ho an’i J. Nalisoa Ravalitera”. Hetsika ho fankalazana ny faha-80 taonan-dRabenalisoa Ravalitera Jean. Hotanterahina ny 28 novambra 2025, amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Ivokolo Analakely ( Efitrano Charles Ravaloson). Hisongadina amin’izany ny maha poety, mpanoratra, mpampianatra, akademisianina, mpikabary, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno, sns, azy. Handravaka ny fotoana amin’ny alalan’ny hira ny Tafasiry Kolokanto sy ny tarika Fangia Kalo Gasy ary ny antoko mpihira UCM.
Fiverenana any amin’ny fototra. Nanjary liana amin’ny tantara ny Malagasy. Misongadina manaraka izany ihany koa, anefa, ny fifanoherana eo amin’ny voalazan’ny tsirairay. Antony nahatonga io tsy fitovian-kevitra io ny tsy fananana soratra mitoetra. Saika ny tadidy vava sy ny lovantsofina no ampiasaina ankehitriny. Fa, anisan’ny olana goavana sy sarotra harenina ny nandisoan’ny vahiny ny tantaran’i Madagasikara. Nataon-dry zareo izay hanaporofoana ny marina ho tonga diso sy ny diso ho tonga ho marina.




