Fivondronamben’ny eveka : “Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana politika”

Aiza ho aiza ny fomba fanaovana politika amin’izao? Mitranga sahady ny ahiahy, raha ny hafatry ny Fivondro­namben’ny eveka eto Madagasikara. Tsy maintsy ovaina…

“Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana po­litika mba ho fa­nom­poana vahoaka amin’ny ala­lan’ny fiahiana ny soa iombonana, indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra”. Io ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara (CEM). “Mba ho fanovana marina sy tena izy”, taorian’ny fivoriambe isan-taona, ny 4-14 novambra, teto Antananarivo, nifa­rana omaly. Ny fikaonandoham-pirenena miainga avy any ifotony no hahazoana miroso amin’izany, hanomanana fanjakana marin-toerana sy matanjaka. Izay tena ilain’ny vahoaka no hatao lohalaha­rana. Lesoka teo amin’ny fampandrosoana an’i Madaga­sikara hatramin’izay ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifampatoky. Fanovana no tena notakina sy nandran­drain’ny maro. Fanovana toe-tsaina tsy ho tia tena. Anisan’ izany ny famokisana fotsiny ny namana amin’ny volam-bahoaka ka izarana toerana; eny, na tsy havanana amin’ izany aza. Fialana amin’ny kolikoly mba hitodihana amin’ ny tombontsoa iombonana.
“Mitranga sahady anefa ny ahiahy”, hoy ny hafatra. Ndrao mivaona amin’ireo zavatra no­takin’ny tanora sy ny va­hoaka ny fizotran’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Ahina hiverina ireo olona efa teo sy ny fomba taloha nandentika ny fiainam-pirenena, indrindra eo amin’ny sehatra politika sy ny toekarena. Mam­panahy koa ny fisian’ireo voakarama mba hanakorontana ny fiainam-bahoaka sy ha­man­drika ny fanovana andrandrain’ ny maro. Aoka hofongorina ireo fomba ratsy nambotry firenena, nahatonga izao fahantrana lalina iaraha-mizaka izao. Ny tena maharary ny vahoaka no aoka hojerena hatrany, fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. Aoka tsy hatao tompony mangataka atiny intsony ny vaho­aka, fa mba hisitraka ny fampandrosoana marina sy ma­haritra.

R. Nd.

Partager sur: