Tsy ho tampohin-doza 

 

Manomboka tsikelikely ny orana. Tsy mihanona intsony amin’ilay hoe namboarina na artifisialy io! Saika manerana ny Nosy no misy izany. Efa mihazakazaka mihitsy aza ny tantsaha amin’ny asa tany sy ny fambolena. Resy lahatra tanteraka fa voajanahary ny rotsakorana misy amin’izao. Tsy handalo fa efa tafiditra ny fotoam-pahavaratra.
Ho an’ny aty an-drenivohitra, iaraha-mahita ihany koa ny fiakaran’ny rano maloto sy maimbo eny amin’ny faritra iva.
Izay indrindra no hanipazana sahady ny teny ho an’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga. Aleo miteny ireo aty ambony mba hanentana sy hitari-dalana ny mponina. Hafa ihany ny mifanentana dieny vao manomboka ny fotoan’ny orana.
Iaraha-mahalala ny olana misy eto an-drenivohitra hany ka mazan-doha sy sarotra tenenina ny olona. Miva­dika ho resaka politika sy tsy fitiavana ny fahasahiana manitsy.
Tsy mendrika ny ho tazanim-potsiny anefa ny mpiray tanindrazana. Na inona na inona zavatra miseho, takina ny fahasahiana mifanoro. Aiza dia hiaina anaty fahavoretrana fara-tampony isaky ny avy orana ve ny mponin’ Antananarivo? Hilomano na hihosina amin’ny rano maloto sy ny diky mitsikafona lava izao kosa efa tsy izy! Fana­vaozana sy fanovana izao, koa mendrika ny tari-dalana amin-kitsimpo ny vahoaka. Tsy mendrika latsa intsony fa sahaza ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona.
Tsy fotoan’ny fanapempoana sy ny fanaovana tsinon­tsinona ny mpiara-belona izao. Vaninandro kosa iara­ha-mientana ho an’ny mpiray tanindrazana sy ho an’ny taninjanaka. Ny ambany manosika miakatra, ny ambony misintona miakatra. Fifamenoana no ilain-dRamalagasy ankehitriny. Zava-dehibe ny fahasahiana miova sy manova, anaty hodidina sosialy, toekarena ary politika mafimafy. Ny tolo-tanana ho amin’ny tsara no antoka tsy hahatam­pohan-draha tsy manjary ny olon-drehetra.

r.r

Partager sur: