Raharaha SMGD-Cnaps : Iray no naiditra am-ponja vonjimaika

“Iray no naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fiseho­ana voalohany teo anatrehan’ ny mpitsara mpanao famotorana, dimy nomena fahafa­hana vonjimaika ambany fanaraha-mason’ny fitsarana, fito nomena fahafahana vonjimaika ary iray farany namoahana didy fampisamborana”. Io ny fampahafantarana ofi­sialy nampitain’ny Tendrom-pitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, momba ny raharaha Cnaps sy ny orinasa SMGD. Nanao sonia izany ny mpampanoa ambony mpisolo toerana, i Velo Ben­drainy. Nifarana omaly maraina ny fanadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana teny amin’ ny Pac, 67 Ha.
Tohin’ny fitoriana nape­traky ny Sendikàn’ny mpiasan’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpanolo­tsaina iray momba ny fanodinkodinam-bola tamin’ny findramam-bola 11 miliara Ar tsy ara-dalàna tao amin’ny Cnaps nataon’ny SMGD tamin’ny taona 2021 ny raharaha. He­loka anenjehana ireo voarohirohy ny fanararaotana fisahanana andraikitra, ny fanodinkodinam-bolam-panjakana sy ny fandraisana tombontsoa mifandraika amin’izany, ny fanomezana tombondahiny, fifanolanana tombontsoa, famotsiam-bola ary fanohintohinana ny fizotran’ny famotorana.
Nohazavain’ny Pac fa manan-jo hisafidy olon-tsotra na mpisolovava hanotrona azy amin’ny fanadihadiana atao ny voarohirohy rehetra na mizaka ny zom-pirenena malagasy na vahiny, araka ny And. 53 vaovao ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny paikady ady heloka. Samy tomponandraikitra ara-keloka amin’ny zavatra nataony koa ny rehetra, araka ny lalàna. Tsy misy fanenjehana ara-keloka azo atao amin’ny olona iray noho ny fandikan-dalàna nataon’ olon-kafa.

R. Nd.

Partager sur: