FANTINA sy FINTINA

Niverina niasa avy hatrany ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, teny Analakely, omaly, taorian’ny fanadihadiana teny amin’ny Bianco sy ny Pac momba ny “Raharaha SMGD-Cnaps”. Mijanona fototra sy fitsipika amin’ny fitantanana ny fangaraharana sy ny fahitsiana. Tanjona ny fandaminana sy ny fanadiovana ny tanàna.
Fanamafisana ny fiaraha-miasa no nifanakalozan’ny ambasadaoron’ny Repoblika federalin’i Ale­maina, i Oliver Knoerich, tamin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, teny Anosy, omaly. Sehatra maro momba ny fi­tsinjaram-pahefana no anaovan’i Alemaina tantsoroka amin’ny alalan’ny GIZ sy KfW.
Tsy tokony ho hita ao anatin’ny fihaonambem-pirenena ny fandinihana ny momba ny rafitra Teteza­mita, izay tokony havoaka amin’ny fifanarahana politika ihany. Izay ny hevitry ny filohan’ny antoko Tanora mala­gasy miroso (Tamami), Samiary Floriot. Ny rafitra lavitra ezaka ho amin’ny Repoblika vaovao no hifampidinihana amin’ny fihaonambem-pirenena.
Tafatsangana ny Vovonan’ny tanora ho amin’ ny fanovana sy ny fanorenana (VTFF), izay nampahafantarina afakomaly. Mandrafitra izany ireo tanora nito­lona ho amin’ny fanovana. Tanjona ny hampiray fo ireo mpitolona rehetra manerana an’i Madagasikara. Ha­nome tanana ny fitondrana mijoro hahazoana mitondra fanovana notakin’ny mpitolona ny vovonana.

Partager sur: