Napetraky ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tany Vangaindrano, ny faran’ny herinandro teo, ny samboadin’ny depiote tsy miankina Mahavitara Sylvestre voafidy tany Vangaindrano. Voafonja izy mialoha ny fifidianana; nefa voafidy na tsy nanao fampielezan-kevitra aza, ary anisan’ny nahazo fahafahana tamin’ireo gadra politika.
Amin’ny 19 novambra ny fitsarana ny raharaha fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, taona 2024. Fanalana an-daharana ny kandidà mpifaninana tamin’ny kandidà natolotry ny antoko Tim, Ravalomanana Tojo, ny fitoriana noho ny hoe fisian’ny hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana. Fangatahan’ ny nitoriana no nampihemotra ny fitsarana.
Nametraka ny antontan-taratasy fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, tamin’ny faran’ ny herinandro teo, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa-tanana, i Vololoniaina Lucie. Nambarany fa fanamby goavana no apetraky ny mpikamban’ny governemantana amin’ny fahadiovan’ny fitantanana.
Miantso firaisankina sy fifandeferana manoloana ny fiovana eto amin’ny firenena amin’izao ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao amin’ny distrikan’i Vaingaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Izay no taratry ny fiovana sy fanavaozana: tsy fisian’ny valifaty politika, fa ny fifanohanana no hisian’ny fampandrosoana.




