Faragasy sy Dilo : Nahatafita hafatra ny « Soa Meva »

Tafiditra ao anatin’ny « No­vembre numérique ». Ny sabotsy 15 novambra teo no nanatontosan’i Faragasy sy i Dilo (Eat My Butterfly) mpanakanto avy atsy amin’ny nosy La Réunion ilay fampisehoana an-tsehatra « Soa Meva ». No­­tazonin’i Faragasy hatrany ny aingam-panahy maha Malagasy azy teo amin’ny tontolon’ny famoronana. Nam­piasa ireo zavamaneno vokatry ny fikarohana teto an-toerana tahaka ny amponga rahateo izy. Nohatevenin’i Eat My Butterfly tamin’ny fahai­za-manaony momba ny fikirakirana ny feo izany. Noporofoin-dry zareo fa afaka miaraka tsara ny kanto notrandrahina avy any ifotony sy ny maode­rina. Iray amin’ireny ny hira « Masôva » manasongadina ny fisian’ny hery sy hazavana avy ao anaty.
Tsapa nandritra ity fam­pisehoana tao amin’ny IFM Analakely ity ny fahaiza-miaraka eo amin’i Faragasy sy i Dilo. Manana traikefa matanjaka eo amin’ny tontolon’ny hira izy ireo, indrindra eo amin’ ny fandrindrana ny hira sy ny fampiarahana izany amin’ireo fitaovana na ireo zavamaneno ampiasaina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: