Minisitra enina no namelabelatra ny vina sy fanamby teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. Nilaza ny fahapotehan’ny lalana ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob. Antony, tsy nety ny fitantanana ny vola fikojakojana lalana. Hisy volavolan-dalàna hahamarin-toerana izany.
Vinan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray, ny hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka ny solontenam-panjakana. Amin’ny fanendrena azy ireo sy fanaraha-maso ary fanomezana toromarika tsy hiandany izany, fa hitodika mandrakariva any amin’ny vahoaka.
Vahaolana fohy ezaky ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, ny fandatsahana orana, izay tsy azo atao isan’andro fa misy fepetra. Politika fohy ezaka koa ny fanafarana vondrona mpamokatra herinaratra, izay halefa any amin’ny faritra rehefa tena tonga ny orana.
Tanjona faharoa amin’ny fanavaozana ny Repoblika ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana, araka ny tenin’ny minisitra Dr Razafindrianiaina Minosoa Elia. Tsy nanana politika ny amin’izany i Madagasikara. Koa politika ny hananana rano sy tanàna madio: fitondrana fanavaozana sy fanatsarana izay sehatra izay.
Famelomana ny tolotra tena ilaina hiantohana ny zo fototra ary fanomezan-danja ny olombelona ho fototry ny fampandrosoana no naroson’ ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Managna Monira. Imasoana ny fahazoana fitsaboana tsara kalitao sy ara-drariny, fisorohana ny aretina, fanamafisana ny fotodrafitrasa…
”Ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ngeza indrindra sady manana olana indrindra”, hoy ny minisitra Hanitriniaina Elis Karena. Fifanarahana vao nilamina ny minisitera sy ireo manana olana. Vontoatin’izany ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, ny famindran-toerana tsy mifanaraka amin’ny fiainam-pianakaviana…
R. Nd.




