Miaina, saingy marefo ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Ho fanatrarana ny tanjona, mila miroso mankany amin’ ny maha matihanina kokoa ireo mpisehatra rehetra anatin’ny rohin’ny boky.
«Ny rohin’ny boky sy ny satan’ireo matihanina eto Madagasikara». « Ny fanentanana momba ny varotra boky ». Ireo no lohahevitra roa, niompanan’ny fampiofanana sy ny fizarana traikefa tamin’ireo mpisehatra amin’ny rohin’ny boky, ny faran’ny herinandro teo. Noho ny fahatsapana fa mila matihanina kokoa ireo mpisehatra, mba hanamafy hatrany ny rohin’ny boky ka hanatrarana ny tanjona iombonana, no anton’ny fampiofanana. Mpiofana miisa 28 no nanamafy traikefa sy nampitombo fahalalana nandritra izany. Nitarika ny fotoana Razafimamonjiraibe Fano, mpitantana ny trano famoaham-boky Teny, sy Ravaoarimalala Patricia, tomponandraikitra ao amin’ny sampandraharaha misahana ny fampiroboroboana ny rohin’ny boky ao amin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara. Niarahana tamin’ny Vaomieran’ny eveka ho an’ny fifandraisan’ny mpiara-belona avy amin’ny Ekar ihany koa izany.
Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hahamatihanina ireo mpisehatra amin’ ny rohin’ny boky, ary hanandratana ny tontolon’ny boky eto Madagasikara. Tsy maintsy mihetsika mankany amin’izay maha matihanina izay ny mpisehatra rehetra anatin’ny rohin’ny boky, satria samy manana ny mampiavaka azy ny asan’ny tsirairay. Miavaka saingy mifampiankina anefa izany, ary tsy misy azo atao antsirambina. Ilain’ny rehetra ny mahafantatra ny fara-fahakeliny amin’ny asan’ny mpisehatra hafa.
Manana andraikitra amin’izay fanandratana ny tontolon’ny boky izay avokoa ny mpisehatra rehetra manomboka any amin’ny mpanoratra, ny mpamokatra, ny mpanonta, ny mpivaro-boky, ny mpiandraikitra trano famakiam-boky, sns. Adidy iombonana kosa ny fampitiavana ny vakiboky sy ny fanjifana ny boky, izay nanomboka narefo rehefa niha natanjaka ny teknolojia maneran-tany. Mila firaisankina tena izy izay fifampiankinana izay mba hananana hoavy mamiratra ho an’ny vakiboky.
Zo ny Aina




