Ranjatohery Harilala : «Aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa»

Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny mpi­kabary malagasy maneran-tany no nanatanterahana ny velakevitra: « Ny soatoavina malagasy sy ny fanatontoloana ». Foto­ana nanehoan-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpahay tantara, ny heviny. « Manana soatoavina mampiavaka antsika Malagasy isika. Tahaka ny fihavanana izay ventesintsika mandrakariva. Mazàna anefa no toa tsy omentsika lanja na heverintsika ho efa nilaozan’ny toetrandro izany. Aleon­tsika mitomany randrana ma­nendrika ny hafa izay atobaky ny fanatontoloana manodoka ny masontsika ».
Nohamafisiny fa : « ny fiorenantsika amin’ny foto-pahendrena navelan’ny razana, sy fahaizantsika manivana ny sahaza sy ny tokony ho tandrify antsika amin’ny endri-pivoarana misy amin’izao vaninandro iainantsika izao no miantoka ny hahafahantsika mandroso amin’ny endri-pandrosoana tsy hamitaka sy hamotika antsika ».
Nanteriny hatrany ny : « tsy hangetahetana ambony lakana amin’ny fisitrahana ny fivoarana atolotry ny andro ankehitriny eo anatrehantsika, kanefa koa tsy hanao rapadango amin’izay heverina ho zava-baovao; ary tokony hataontsika zava-dehibe ha­trany ny miorim-paka amin’ny soatoavina ananantsika. Ny firenena mitana sy miaina ny maha izy azy no afaka manana ny toerany sy hasina eo anivon’izao tontolo izao, miara-mihazakazaka ao anatin’ny fanatontoloana ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: