Naseho ampahibe-maso teny amin’ny Antenimierampirenena, omaly, ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho amin’ ny fanavaozana. Lohalaharana sy maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena.
Fikarakarana fifidianana marina sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara no fanambin’ny governemanta vaovao. Nivoitra izany nandritra ny fanehoan’ ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanavaozana teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly. Drafitra stratejika hitantanana ny raharaham-panjakana mandritra ny Tetezamita izany.
Dingana lehibe telo no hanatanterahana ny PGE. Eo ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara, ny fanavaozana ny didy aman-dalàna momba ny fifidianana sy ny antoko politika ary ny fanavaozana lalina ny Ceni. “Tanterahina misesy aorian’izay ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika hamaranana ny dingan’ny fanavaozana’’, hoy izy.
24 volana raha ela
Mandritra ny 24 volana farafahelany ny tetiandro. Volana voalohany ka hatramin’ny fahenina ny fikaonandoham-pirenena, izay fanahin’ ny fanavaozana ifotony fa sehatra hanangonana ny hevitra na ny ahiahy aza avy amin’ny sokajin’olona rehetra. Faharoa, fanavaozana ny rafitra ara-pifidianana sy ny momba ny antoko politika, ny volana fahenina ka hatramin’ny faha-12, izay avy amin’ny tolo-kevitry ny fikaonandoham-pirenena. Ny volana faha-12 hatramin’ ny faha-15 ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana. Ny volana faha-15 hatramin’ny faha-18 ny fifidianana filohan’ny Repoblika, aorian’ny fanavaozana lalàm-pifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Ny famindram-pahefana, ny volana faha-18 hatramin’ny faha-24, izay hifaranan’ny Tetezamita. Mandritra ny fanatanterahana ireo dingana tsirairay ny loharanom-bola. Azo hahitsy ny tetiandro raha ilaina, araka ny vokatry ny fikaonandoham-pirenena.
R. Nd.




