Mahay milomano

 

Efa mitohy ny orana! Miditra anatin’ny fotoam-pahavaratra rahateo i Madagasikara.  Manomboka miakatrakatra tsikelikely ny rano eny amin’ny faritra iva. Tsy mbola ilay manainga zipo na ilay tafiditra an-trano akory, saingy ilay efa petsapetsa tsy mampazoto hamangy havana. Loto sy taha ambony amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina mifandraika amin’izany.
Ho any ambanivohitra, efa miakatra koa ny renirano. Manomboka tsy azo ivezivezena ny faritra saro-dalana. Miha mitoka-monina tsikelikely ny tanàna. Tsy ampy ny fitaovam-pitaterana ny mponina. Mazava ho azy, miron­gatra koa ny tsy filaminana. Faly sahirana ny mponina. Andaniny, milamina ny fambolena sy fiompiana. Ankilany, olana hafa ny fisokafana amin’ny tanàna manodidina.
Endri-piarahamonina iray, mikisarisary izay zava-misy izay koa anefa no handeha horesahina fohy. Mahakasika ny fivoarana politika eto amin’ny tanàna. Maro ny trangam-piarahamonina miseho, mahatonga ny samy maka ho azy tsy satry. Teren’ny zava-misy dia manjaka ho azy ny fitiavan-tena sy ny fanilihana ny manodidina. Mahita hirika
hialana bala mba hahafahana mampanjaka ny tsy rariny, hisitrahana ny tombony manokana.
Raha ny resaka politika dia niova tokoa ny tantara. Niampita amin’ny vanim-potoana hanarenana ny tsy nety tamin’ny fiainany manokana ny ankamaroan’ireo nomena fahefana sy toerana. Mbola an-jorom-bala ilay tanindra­zana sy ny vahoaka malagasy, hatreto. Asa, hanafotra sy hanempotra ilay fiarahamonina indray ve izany?  Sa mila manavo-tena daholo ny olom-pirenena tsirairay?
Raha ny hodidina rehetra misy aloha dia mitaky fahaizana milomano ara-bakiteny sy ara-keviny ny toe-java­misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Enga anie ka mba ho tetezamita tokoa no misy ka hiampita amim-pifampitokisana Ramalagasy. Hiroso amim-pinoana fa tsy sanatria ho kofona sy ho maty an-drano tsy lera!

r.r

Partager sur: