Namoaka fanambarana ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, PFNOSCM/Vohifiraisina. Nambaran’izy ireo fa manohana amin’ny heriny rehetra ny tolona notarihin’ireo tanora ity vovonana ity. Namaky bantsilana ny tsy fanajana ny zo fototra, ireo tsy fanarahan-dalàna, miaro fanararaotam-pahefana ny fahasahiana sy ny fahavonana nasehon’ireo Gen Z izy ireo. Nitarika tamin’ ny firodanan’ny fanjakana teo aloha izany, araka ny fanambarana… Niantso fahamailoana anefa izy ireo na nivadika aza ny pejy. Niaiky ny Vohifiraisana fa mbola marefo raha ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao no jerena. « Takinay haingana
ny fametrahan trondrozotra mazava hahafahana miroso amin’ny fanavaozana ifotony, nimatimatesana tamin’ny tolona ka iarahan’ny rehetra midinika sy mamolavola ary manomana », hoy izy ireo. Samy tokony haneho fahavononana ary hampiseho ny maha tomponandraikitra hahafahana mamaly ireo hetaheta sy ny marary amin’ny vahoaka tsivakivolo ho fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, ny isam-batan’olona, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Niaiky ny Vohifiraisana fa mety hanohintohina ny fiarahamonina sy ny sosialy ary ny filaminana ireo olana mbola tsy voavaha. Tena hisakana ny fampandrosoana eny ifotony izany, araka ny fanambarana hatrany.
Manoloana izany, nitondra soso-kevitra ny Vohifiraisana fa tokony hatao marim-pototra ny andry iorenan’ny fahitsiana “Pilliers de l’integrité”. Hapetraka ny rafitra misoroka sy mitantana ireo disadisa ara-piarahamonina. Hisy ny lamina hifampiresahan’ny rehetra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra iombonana, ka manamafy ireo rafitra efa misy toa ny rafitra ifotony ifanakalozana eo anivon’ny kaominina (SLC. “Omena lanja koa ny filankevitry ny tanora eny anivon’ny kaominina sy ny faritra”, hoy izy ireo.
Synèse R.




