Antso farany ho an’izao tontolo izao : Boky manasongadina ny zava-misy ankehitriny

Antomotra tokoa ve ny fara andro araka ny ambaran’ny sasany? Hanao ahoana tokoa ny hoavy? Fanontaniana maro mpametraka mahakasika indrindra ny zava-misy iainana ankehitriny. Tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany ireo.

Niezaka nitondra valiny narahina fanohanan-kevitra manodidina iza­ny ny mpanoratra Rabema­nantsoa Rintsamahefa, ana­tin’ilay boky nosoratany, Antso farany ho an’izao tontolo izao. Avoitrany ao ireo antony ma­hatonga ny krizy mahakasika firenena maro maneran-tany sy ny loza mitatao aterak’izany. Tsy fijery sy famakafakana sian­tifika fotsiny anefa no en­tin’ny mpanoratra ao fa eo koa ny ara-baiboly. “Tan­jon’ny boky ny hampahafantatra sy fiza­rana ireo torolalana nomen’i Jesoa Kristy, ho fiomanana ny amin’izany mba hivoahana ho mpandresy miaraka Aminy. Izany rahateo ny antony nisafidianana ny lohateny, Antsom-pitiavana farany ataon’Andria­manitra Mpahary mialoha ny fahataperan’izao tontolo izao”, hoy ny fanazavana avy amin’ ny mpanoratra.
Mizara ho toko telo ny boky. Ao anatin’ny toko voalohany no itanisana ireo zava-misongadina eo amin’ny lafiny fiarahamonina sy toetr’andro ma­neran-tany, tamin’ity taona 2025 ity. Ao amin’ny toko faha­roa no anazavana ny anton’ ireo araka ireo seham-pandalinana haifiarahamonina sy haitoetrandro. Ao amin’ny toko farany kosa no itondrana ireo torolalana hiatrehana ny ankehitriny sy hiomanana amin’ny zavatra hitranga any aoriana.
Noraisin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy ny fanontana ny boky ka ho­zaraina amin’ireo manampahefana sy ny fiarahamonim-pirenena mba hitondrana ny anjara biriky amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tan­tana sy ny fiainam-pirenena milamina. Efa azo angatahin’ ny rehetra ihany koa amin’ny endriny niomerika io boky io, ao amin’ny pejy facebook Antso farany. Azo vakina maimaimpoana ihany koa manomboka rahampitso, ao amin’ireo tranomboky lehibe, toa ny Tra­nom­bo­kim-pirenena Anosy, Tranom­boky Monisipaly Ana­lakely, Toeram-panomanana ho mpitandrina Ambatona­kanga, Oni­­versite FJKM Rave­lojaona, Arsivam-pirenena, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: