Ny fangatahan’ireo Malagasy monina any ivelany te hahay ny kolontsainy no anisan’ny nahatonga ny famoahana ny boky « Valihan’Ikaky » voalohany tany ampitan-dranomasina. Ny hetahetan-dry zareo no novaliana mialoha noho ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny mpampianatra zavakanto sy kolontsaina any ivelany, raha ny fanazavan’ny mpanoratra.
Fantatra, omaly, fa hivoaka eto an-toerana ihany koa ity boky fianarana ny zavamaneno malagasy, valiha, ity. Ny voalohandohan’ny taona 2026 ho avy izao no fantatra fa ahitana izany manerana an’i Madagasikara. Tsy misy fiovana ny voarakitry ny boky. Fampianarana miainga amin’ny fomba fianarana zavamaneno fahita maneran-tany. Mampiasa ny solfezy.
Nomarihin’ny mpanoratra ihany koa fa vokatry ny fikarohana tao anatin’ny taona maro no voarakitra ao anatin’ity boky ity. Nosoratana amin’ny teny malagasy ranoiray ny fanazavana manontolo. Nezahina ny nitazona ireo voambolana sy ny anarana rehetra nampiasain’ny Malagasy eo amin’ny tontolon’ny valiha. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny boky maro pejy tokoa ny « Valihan’Ikaky ». Noho izany, nozaraina maromaro (Tome I – II – III…) ny fomba hamoahana azy.
HaRy Razafindrakoto




