Tandremo ny singam-bolo mety handavo ny vositra! Mahalasa saina ny zava-nitranga omaly maraina, teny Ankasina. Tapakandro monja dia nikatso ny fiainan’ Antananarivo Renivohitra, noho ny fitokonan’ny mponina. Tapaka tanteraka ny lalana iray, teny an-toerana. Poa toy izay, nihitsoka ny tontolo andro. Ora maro no very ho an’ny mpiasa, ny mpikarama niakatra tanàn-dehibe.
Betsaka ny mpianatra no tara, na tsy afaka namonjy sekoly ny tapakandro maraina. Naneho ny tanjany ny mponina, nametraka mazava fa mahafehy ny fitondram-panjakana. Tsy nisy azo natao tokoa mandra-pahatongan’ny nitataovovonana. Tsy vitan’ny mitokona sy manapa-dalàna ny mponina fa tena mandrefy ny fahefana mijoro. Hatramin’ny polisy aza nisy fotoana niala maina.
Ny tena nanaitra sy nahatonga saina, raha lozam-pifamoivoizana sy lalana mila amboarina no fototry ny olana, nivadika horakoraka politika izany ho an’ny mponina sasany. Nisy ny nihirahira fa hafa ihany ilay “Iraikalahy taloha lasa”, “raha ianona izao no teo efa nijery anay vahoaka izy”, hoy izy ireo. Tsy hay mazava no tiana ahatongavana.
Tranga iray, tokony hampisaina sy hampieritreritra ny vahoaka malagasy ny zava-niseho omaly, teny Ankasina. Misy otrikafo tsy mety maty any anatin’ny olona tsirairay ka sao sanatrian’ny vava ho fandoto iray tanana hanimba ny iray siny. Taratry ny fahasahian’ny vahoaka manao fitakiana, tsy misy mpitarika akory izany. Ny tena zava-doza, tsy voafehy fa manao izay danin’ny kibony ny mpitokona.
Fatiantoka maro no ateraky ny fifanafintohinana vokatry ny hetsika sy ny tsy fandraisana andraikitra. Taratry ny tanjaka na fahalemen’ny fahefana eo am-pelatan’ny mpitondra ireny zava-niseho ireny. Mila manana paikady politika matotra, araka izany, ny Mpanavao tsy ho tratran’ny patsa iray tsy omby vava eo!
r.r




