Ambivitra ny tsy nisehoan’ny fifandonana tetsy Anosy, teo amin’ny mpomba ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, sy ny kandidà, Ravalomanana Tojo, omaly.
Niakatra fitsarana ny fitorian’ny mpisolovava ny Tim amin’ny hanintsanana ny kandidàn’ny Irmar, tamin’ ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Samy nihorakoraka sy nifampihantsy tamin’ny alalan’ny vava sy nilanja sorabaventy ny andaniny sy ny ankilany, tetsy amin’ny ma-nodidina ny Fitsarana an-tampony. Nilamina ihany anefa izany na efa saika tonga amin’ny fifandonana aza.
Nizotra soa aman-tsara kosa anefa ny raharaha-pitsarana. Fantatra fa hamerina handinika ny fitoriana ny mpitsara ka aorian’izany vao hivoaka ny didy. «Hitrandraka ireo hala-bato sy ireo tatitra (PV) izy ireo. Tsy azo ialana izany noho ireo porofo marobe sy horonantsary ary koa fijoroana vavolombelona», hoy ny mpisolovava, ny Me Raharison Hubert.
Niatrika izany ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, saingy tsy naharitra hatramin’ny farany. Nambarany fa tokony handeha amin’ny ara-drariny ny fitsarana. «Mba tsy ho resaka politika no itondrana ny raharaha fa ho amin’ny fahamarinana, satria nisy safidy tao na ho anay na ho an’ny mpifaninana. Tsy mendrika korontana Antananarivo», hoy izy.
Nanambara kosa ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, niatrika izany, fa renivohitra ity ka tokony holanjalanjaina ny teny havoaka. Hanana ny fahaleovantenany ny fitsarana ary tsy tokony hisy tsindry na baiko midina. Nilaza kosa ny kandidà, Ravalomanana Tojo, fa marobe ireo mpifidy tsy avy eto an-dRenivohitra tamin’ny fifidianana. Manantena ny tenany fa ho avy ny hazavana ary mbola hifankahita eo foana.
Synèse R.




