Nahoraka tato ho ato ny karazana fifamelezana fantsy ataon’ny samy mpanao politika. Tsy afapo tamin’ny fanesorana ny mpitondra teo aloha ny sasany, fa mitady ny hifanipaka an-karona sahady. Mahavariana ny mihaino ny fifamaliana tsy mivantana ataon’ireo noheverina ho mpitari-tolona amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Ny lahateny imasom-bahoaka izany dia efa tsy misy ankitsitsy.
Raha ny fivoaran’ny toe-draharaha dia tena samy maka ho azy ny rehetra. Anatin’ny fiketriketrehana ny afaka roa taona avokoa. Mikajikajy ny 2028, izay mety hanaovana fifidianana ho filoham-pirenena. Tsy misy mivaky loha amin’izay tolona niraisana intsony izao fa samy nahita hirika ny mba hivelomana indray.
Samy misora-tena ho tompon’ny tolona ny rehetra ka mihevitra fa tompon’ny teny farany amin’izay fanapahan-kevitra raisina eto an-tanàna. Efa misy Filoha dimy lahy be izao ny firenena ankehitriny, angamba tsy hoe hanaotao fahatany izy ireo. Miaramila no hatao, ady no hatrehana ho an’ny tanindrazana. Iza no hilaza fa mahavita noho izy dimy lahy?
Aleo asiana tsindrim-peo mafimafy mihitsy anio, fa tena ohatrany hadino tanteraka ilay fanavaozana nilokalokana. Mibaribary fa ny olona no nesorina mba hakana fahefana sy hanjakazakana. Fifandimbiasan-tseza ny an’ny sasany fa tsy finiavana ho an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy.
Tsy maintsy ahontsana sy sintonina ny lakolosy mba hialana amin’ny fifamahanan-dalitra sahady. Mila mampiray feo ny olon-drehetra, nilaza fa mpitolona hialana amin’izao fifamitahana be vava izao. Mbola porofoin’ilay mpanao politika ilay fanao efa lo sy niadiavana hatrizay hoe: “ Izaho aloha vao ianareo”.
Manomboka kivy sy mampiaka-peo ireo mpitolona, saingy toy ny teo ihany no miverina!
r.r




