FANTINA sy FINTINA

Tezitra mafy ny depiote « Del kely » tao amin’ ny fandaharana Miara-manonja, omaly. Nambarany fa manao be fiavy miverina anaty fitondrana ny olon’ireo mpitondra teo aloha. « Tsy nitolona ho an’ny Mapar sy ny forongony no natao ka hamerina ireo olona ireo… Tsy toerana no nitolomako fa foto-kevitra. Azo esorina amin’ny toerana aho », hoy izy.
Tokony hanokafana fanadihadiana ny Prefet an’Antananarivo, araka ny nambaran’ny administratera sivily, Rabenandrasana Nicolas. Nambarany ho anton’izany ny fandikan-dalàna nataony na tsia ta­min’ireo fanapahan-kevitra rehetra noraisiny teo aloha. « Tsy vitan’ny esorina fotsiny… Manaratsy endrika anay ny fanapahana sasany noraisiny », hoy izy.
Nosalorana samboady, afakomaly, ny loho­lona vaovao, i Bevohavy Joël. Nisolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina, Raharinirina Sidonie, ny tenany manomboka izao. Tsiahivina fa avy amin’ny antoko MMM izy mianadahy ireo ary nametraka hatrany ny fijoroana sy ny fahitsiana hiarovana ny tombontso­an’ny vondrom-bahoakam-paritra
Nanao hetsika fitakiana ny hialan’ny ben’ny Tanàna ireo vahoaka ao amin’ny kaominina, Maneri­nerina, Ambatoboeny, omaly. Novakin’izy ireo bantsilana fa tafahoatra ny tsindry ataon’ity ben’ny Tanàna ity nandritra ny taona maro. Nitondra sorabaventy izy ireo ary nikasa hamantsika ny birao eo amin’ny lapan’ ny Tanàna.

Partager sur: