« Samy mbola hafa » : Hiaraka indray ry ‘Zay sy Tovo J’Hay

Raha hoe ny tena « indray nihira », angamba, ry Tovo J’Hay sy ny tarika ‘Zay…Efa maherin’ny 25 taona, fa ampiarahan’ny mozika sy ny mpankafy azy ireo hatrany. « Samy mbola hafa », io indray ny lohatenin’ny fiarahana an-tsehatra manaraka, hotontosaina ny sabotsy 22 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCI Ivato. « Andiany faharoa izy ity, satria maro ny nangataka ny hamerenana izany indray. Tsy famerenana ny tamin’ny andiany voalohany anefa ity, fa misy zava-baovao”, hoy ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Louvto Company, mpikarakara, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambodivona, omaly.
“Faly indray mitondra an’ilay Samy mbola hafa. Naverina satria nandaitra sy nety ilay izy. Na Tovo na izahay na ny mpankafy dia samy niaiky fa nahafinaritra iny. Ireo hira nahafantarana anay no hatao, fa hiampy vaovao vitsivitsy amin’ity”, hoy i Malala ‘Zay. “Roa taona izay, ka efa tsy andry ny fotoana iarahana indray, satria mitovy ny tanjona sy ny lalana aleha”, hoy kosa i Tovo J’Hay. Samy hanao ny anjarany, avy eo hisy ny fampiarahana talenta eo amin’ny tarika roa tonta, raha ny fanazavana hatrany.

Zo ny Aina

Partager sur: