Anisan’ny olana goavana tsy mampandroso an’i Madagasikara hatramin’izay ka hatramin’izao ny tsy fahalalan’ny mpitondra ny antsoina hoe “Malagasy”. Izany hoe, tsy fantany ireo mampiavaka azy toy ny fomba amam-panaony, ny kolontsainy, ny tantarany, ny finoany sy ny fahalalany, sns.
Vokany, toy ny miteny an-tany efitra izy ireo (mpitondra isan-tsokajiny), manoloana ny vahoaka entina, hany ka tsy tafapaka any amin’izay tokony hiantefany ny hafatra. Tsy tafita amin’ny Malagasy mihitsy ny hevitra sy izay tian-kambara, satria, fomba fisainana vahiny no namolavolana azy ireny (hevitra sy tian-kambara), noho io tsy fahalalana ny maha Malagasy io.
Raha nahalala ny hasin’ny tanindrazana, fanahy no olona, ozona, tody, tsiny, sns, (izay samy kolontsaina sy kolosaina ary fomba amam-panao malagasy tsy nampidirim-bahiny) avokoa ve ireo mpitondra an’i Madagasikara hatramin’izay, ho toy izao ny fahavoazana
sy lesoka lehibe mahazo ity tanindrazana ity? Tsy hoe tsy ilaina akory ny sosialy, politika, toekarena, sns. Ilaina ireny, saingy, mila omen-danja lehibe ihany koa ny fahafantarana ny maha izy ny tena raha tiana ny handroso sy tsy hanao resaka mitsingevana fotsiny.
… Tsy any an-tsekoly fotsiny no tokony hanarenana ny lesoka fa any anivon’ny ankohonana mihitsy. Fanontaniana marobe no mila valian’ireo “mpitondra ny tokantrano”. Raha ireny no voavaly, azo antoka fa vonona ny hampandroso an’i Madagasikara ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




