Fanavaozana sy fanovana no (h)atao? Eo koa ny hoe fanorenana ifotony… Amin’ny fomba ahoana? Eo indrindra izao… Andrasana sy andrandraina ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena hamaritra ny amin’ny fanatanterahana izany. Hanao ahoana? Mandra-pitrangan’izay hitranga na izay hatao, ilaina ny hoe fanovana toe-tsaina. Miara-dalana amin’izany ny fomba fiasa, ny fitondran-tena, ny fomba fiteny… Maromaro? Fa tsy moramora ihany koa… Tsy mbola vita, hono, ny tolona, fa ny tsirairay avy izao no mila miady amin’ny tenany amin’ny fahazaran-dratsy, fomba ratsy, samy maka ho azy… Mila jerena mandrakariva ny soa iombonana. Ho tonga hatraiza?
Tsy efa fanovana toe-tsaina avy hatrany ve, ohatra, ny tsy fiandrandrana fahagagana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny tena? Na ny fitavandrana vokatra eo no ho eo, raha vao misy mampanantena… Eny, na ny fanaovana ampitso ampitso lava ny amin’izay atao aza. Ahoana izany? Samy manahirana sy tsy mety na ny eo no ho eo na ny ampitso ampitso lava. Mila fahamatorana tanteraka ny raharaha: inona no mety ho vita, ny azo tanterahina, ny azo antoka… ? Miara-dalana amin’izany izay miankina amin’ny tsirairay, ny mila fifanomezan-tanana, ny mitaky fotoana… Ny manantena tsy misy, hono, sarotra, fa ny mamoy mora foana. Nefa tsy efa naman’ny mamoy fo ve izay very fanantenana?
Raha misy fitakiana atao, tsy manomboka eo amin’ny tena ve aloha no itakiana izay tokony hatao sy mety ho vita? Tsy iandrandrana ny hafa mandrakariva: ny olom-pirenena tsy hiandry fanjakana, ny fanjakana tsy hiandry ny any ivelany… Tsy moramora sy mandeha ho azy izany, nefa tsy maintsy atrehina sy atomboka ary itozoana. Tsy hisy izay fiovana sy fanavaozana, raha tsy ny tena no miova sy mihavao?
R. Nd.




