Misokatra ho an’ny rehetra ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kotendrena ho lehiban’ny Faritra, araka ny antson’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, voaray omaly. Ao anatin’ny dingana vaovao ho fanarenana sy fanavaozana ny Repoblika izany, araka ny adidy aman’andraikitra iantsorohan’ny minisiteran’ny Atitany. Nametraka fomba fiasa vaovao manaraka ny dingana mazava sy mangarahara ary voafehy ny minisitera ho amin’ny fisafidianana izay ho lehiben’ny Faritra 24. Zava-dehibe ny fanavaozana ny rafi-pitantanana eny anivon’ny kaominina sy ny Faritra. Eo koa ny fanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny firaisankina eo anivon’ny Faritra amin’ ny alalan’ny fifidianana mangarahara sy demokratika.
Tokony hahafehy sy hahafeno ny fepetra takina araka ny lalàna ireo maniry hirotsa-kotendrena amin’izany. Anisan’ izany, ohatra, ny fananana fahalalana kasaina hiadidiana. Eo koa ny fahaiza-manao sy fananana traikefa, ny fananana etika sy haitarika. Tsy latsak’
izany ny fahafehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny asa ara-teknika. Efa nisehatra tamin’ny fampandrosoana eny anivon’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana na Faritra, dimy taona farafahakeliny, izay mirotsa-kotendrena. Ilaina koa ny fahafehezana fitantanam-bola sy ny fahaizana miara-miasa amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fanjakana foibe. Toy izany koa ny fahaizana miara-miasa amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifampidinihana sy fakan-kevitra. Hatramin’ny 28 novambra ny fanaterana ny antontan-taratasy fangatahana eny anivon’ny biraon’ny prefektiora na eny amin’ny minisiteran’ny Atitany.
R. Nd.




