Soatoavina, kolontsaina…: Mila omena laka ny fahasamihafana

Tenenina matetika ny fiovana, fanovana… Fa, tsara ihany koa ny fananana fijery mivelatra. Mila omena laka ny fahasamihafana eo amin’ny soatoavina, fomba amam-panao, sns, mampiavaka ny faritra na toerana tsirairay. Izany hoe, miainga any amin’ny fototra. Ny monina na ireo mitoetra ao amin’ilay toerana na faritra (mpiaramonina) no manome laka sy lanja voalohany ny soatoavina, fomba amam-panao, sns, ao aminy. Mitandrina ireny fatratra mba tsy ho very na hiova an-dalana. Hataony izay hampitana izany any amin’ireo taranaka mifandimby. Ny vahiny na ireo mandalo, mila manaja ireny mampiavaka ny faritra na toerana ireny. Io no mitarika any amin’ny fifanajana eo amin’ny samy Malagasy.
Anisan’ny mampiavaka ny Malagasy ny fananana soatoavina sy kolontsaina ary fomba amam-panao iombonana. Tsy vitsy ihany koa, anefa, ireo tsy hita raha tsy ao amina toerana, na vohitra, na tanàna na faritra iray. Raha hiroso any amin’ny fiovana na fanovana na fiverenana ifotony, ireny fahasamihafana ireny no mila hajaina sy omena laka ary kolokoloina raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina, zavakanto, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Ireny fahasamihafana ireny no anisan’ny loharanon-karena lehibe ho an’ity Nosy ity.
Raha hain’ny Malagasy ny mitrandraka izany, hanana tanjaka lehibe ny tontolon’ny fizahantany, ny varotra anatiny sy ivelany, ny toekarena iray manontolo. Mila omena ireo toerana, vohitra, tanàna, faritra, tsirairay, anefa, ny fahafahana sy fahefana hoenti-manana ho amin’izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: