Nanao fihetsiketsehana tao amin’ny tokotanin’ny orinasa, eny Talatamaty, ireo solontenan’ny mpiasa 4 000 eo anivon’ny vondrona orinasa Sodiat, ny asabotsy teo. Maromaro ireo fitakiana sy fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana.
Velon-taraina sy manomboka miahiahy tanteraka ka nanatanteraka fihetsiketsehana, nitondra sorabaventy ary naneho ny olany sy ny fangatahany ireto mpiasa marobe ireto. « Mangataka izahay ny hamelana anay hiasa malalaka sy am-pitoniana ary am-pilaminana eo anivon’ny orinasa iasanay tsirairay avy ireto », hoy izy ireo, nanoloana ny mpanao gazety. Notakin’izy ireo hentitra koa ny tsy hampidirana ny resaka politika amin’ny fampihodinana ireo orinasa maromaro nefa mamelona olona aman’aliny, amin’izao fotoana izao.
Etsy andaniny, anisan’ny angatahin’ireo mpiasa koa ny hijeren’ny fanjakana ny fanagejana ny kaontin’ny orinasa amin’izao fotoana izao. « Tsy nisy fanadihadiana akory nefa ny vola efa nafindra sy nogiazana ka tsy ahafahana mandoa ny karamanay mpiasa an’arivony ireo », hoy ihany ny antsoantson’izy ireo.
Nanterin’ireo mpiasa koa ny tokony hijerena akaiky ny momba ny Malagasy mpandraharaha amin’izao fotoana fa tsy ny vahiny foana no homena vahana sy tombon-dahiny.
Mbola nohamafisin’ireo nanao fihetsiketsehana fa tena tsy misy idiran’ny mpiasa ny adilahy politika, mifamahofaho amin’izao fotoana izao.
Fatiantoka eo amin’ny fanondranana letisia
Ankoatra izany, tratry ny fatiantoka tanteraka ankehitriny ireo mpandraharaha miisa 3 000 noho ny tsy fandraisan’ny vondrona orinasa Sodiat ny vokatra amin’ny fikirakirana sy ny fanondrana letisia.
Tsiahivina fa namoahan’ny fitsarana malagasy didy hogiazana ny kaontim-bolan’ny tompon’ny vondrona orinasa Sodiat, Ravatomanga Mamy, eny anivon’ireo banky eto Madagasikara, nanomboka ny 19 novambra teo.
Synèse R.




