Hisy fiovana sy fanovana amin’izay ny fomba fanaovana politika amin’izao? Na misy hanitsiana ny dia amin’izay atao ny korontana politika miverimberina… Mandra-pahoviana? Ny tsy mijery lalana na izay ametrahany ny tongony, hono, no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany. Efa nisy tomponandraiki-panjakana ambony teo aloha namaky bantsilana fa ny mpanao politika no mamotika ny firenena sy ny fiainam-bahoaka. Tsy inona fa ny fanaovana politika manakorontana, manao hitsin-dalana, tsy tan-dalàna… Mby aiza amin’izao hoe fanavaozana izao? Na fanorenana ifotony… Mila fanavaozana miaraka amin’izany ny olona? Tsy Rakoto soloina an-dRabe, fa ny maha izy azy an-dRakoto sy Rabe amin’ny fomba fanaovana politika no mila miova sy ovaina.
Na ovaina ho tsara toy inona aza ny rafitra sy ny lalàna, ka tsy miova fomba fanao izay olona hampidirina sy hiasa amin’izany, ny eo no ho eo. Mety vao mainka miharatsy aza… Nahoana? Zary fialokalofana sy fanamarinan-tena ny hoe fanovana. Ny olona no hanovana rafitra sa ny rafitra no hanovana olona? Miara-dalana amin’izany ny fampiharana sy fiainana ny lalàna, ny fanasaziana tsy misy fanavahana izay tsy tan-dalàna… Loza mihatra sy iainana hatramin’izay, ohatra, ny mpanao politika hoe tsy tan-dalàna, mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna, tsimatimanota… Rehefa enjehina araka ny lalàna dia lazaina hoe politika. Na politika koa no anaovana fanenjehana tsy araka ny lalàna.
Hisy amin’izay ny fiovana amin’ity hoe fanovana? Manomboka eo amin’ny tena izany, fa tsy iandrasana ny hafa na iandrasana inona toy ny rafitra sy lalàna. Hanao ahoana? Ho hita eo… Azo anombanana izany ny fahatokisan’ny olom-pirenena? Indrindra ny firotsahan’ny maro amin’ny politika… Miankina amin’ny ataon’ny mpanao politika izay?
R. Nd.




