“Manao karazana fanadihadiana kely aho momba azy io.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety teny Ankatso, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ambony. Taorian’ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana, andiany Soatilo nahazo “licence” sy ny andiany Fanilo mamiratra nahazo “master”, sokajy haifiarahamonina, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izany.
Misy karazana fanodinkodinana na tetika maizina hatrany koa ao ambadiky ny fanehoan-kevitra na fandefasana anarana. Rehefa mandefa izany dia hoe: nahoana ny olon’ny fitondrana teo aloha no averina? Dia asaina mandefa lisitra mba hanaovana fanadihadiana… Tsy sahy mandefa ny ankamaroany, na iray aza. Ny mandefa indray rehefa jerena, misy tetika maizina ao ambadika. Lasa roritina be ilay resaka. Na izany aza, misy sasany miteny hoe tsy mbola vonona amin’ny fiovana sy fanavaozana fa mbola mitana an’izay toe-tsaina izay. Raha misy olona iray, ohatra, tena tadiavin’ny firenena, ka manana fahaizana manokana manavotra ny momba ny jiro eto Antananarivo: satria nifampikasokasoka tamin-dRanona na Ranona dia horoahina ve fa tsy hampiasaina?
“Ny tetibolanay ihany no tetibolanay, fa tsy hoe mitombo”, hoy kosa izy ny amin’ny karamany. Raha jerena ny lalàna mifehy ny tetibola 2026, mbola mihena aza ny tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika. Ny karaman’ny kolonely no raisiny mandra-pialany, fa tsy handray karaman’ny filohan’ny Repoblika izy. Ny gradina kolonely izay entina amin’izao, efa fito taona. Raha amin’ny miaramila, efa tokony hiakatra jeneraly. Kolonely no nahafantaran’ny vahoaka azy. Izay aloha no entiny.
R. Nd.




