Seho goavana… Mitana ny lazany i Bodo

Hira 50, fizarana 5… Izay dia ampy haminavinana ny endriky ny seho notontosain’i Bodo tao amin’ny Lapan’ny fanantanjahantena, omaly. Namaly ny antson’ity andriambavilanitra manakanto ity ireo mpankafy azy nandritra izay 40 taona izay, ka tsy onina azy ireo indray ny lapa, fandrefesan-daza ho an’ireo mpanakanto.

Midika izany fa mitana ny lazany i Bodo. Tsy mora ho an’ny mpanakanto izany, saingy vokatry ny talenta nampian’ny traikefa.
«Rehefa eo ianao» ny hira nanombohan’i Bodo ny seho. Nomeny sehatra nialoha izay anefa i Saunia sy Mi’Tsanta, porofon’ny fitohizan’ny mozika. Nitamberina daholo ireo fa­hatsiarovana noraketin’ny hira tsirairay : «Fony aho», «Mi­andry anao», «Dada, Neny», «Mba rahoviana» sns. Mbola hafa koa ny nanaingoan’i Dj Natoo ny fotoana niatoan’ny seho, nitondrany ireo mpankafy tany amin’ny tontolony…
Fa nampiavaka indrindra ny seho ireo mpanakanto na­man’i Bodo, izay nasainy. Na­nomboka azy i Lôla. Nanaraka avy eo i Poopy, tanatin’ilay hira «Tsy maninona», Mirado niara-namerina ny «Tiako fo­tsiny», Nate Tex niara-nahatsiaro an’i Rak Roots tamin’ilay «Faka vady», Tahiana Vibe, Njakatiana, sns. Namerina ny tadidy tamin’ny andron’ny «Che Bel Canto» kosa ny «Raha tia mozika», niarahan’
ireo mpanakanto vehivavy ta­min’i Tovo J’hay, sy ny «Bian­co», nataon’i Bodo sy ireo mpa­nakanto lehilahy. Tamin’ ny 8 ora alina , mbola niakatra ny sehatra i Backom, nanao ny «Mausolée»… Misoratra anaty tantara iny seho iny!

Zo ny Aina

Partager sur: