« Ankizy Mozika Festival »: Nanasongadina ny taninketsa

Manana ny hoaviny ny mo­zika eto Madagasikara. Izay no tsapa nandritra ny andiany faha-5 tamin’ny «Ankizy Mo­zika Festival», notontosaina teny amin’ny Villa Berlin Amba­toroka, omaly. Hetsika fikarakaran’ny CGM/GZ isan-taona, natao hanasongadinana ny talentan’ireo ankizy amin’ny hira sy mozika izy ity. Hamola­vo­lana ny taninketsa, hizaran’ireo ankizy sehatra, no tena tanjona amin’ny hetsika. Hitil­iana mialoha ireo talenta vao, hoavin’ny mozika malagasy aoriana ihany koa.
Nanomboka ny seho ireo ankizy ao amin’ny Alabari, izay efa mpandray anjara amin’ny hetsika. Nanaraka avy eo Mamitia sy Bross, namerina ny «Il faudra leur dire», hira no­foronin’i Francis Cabrel, indrindra ho an’ny ankizy. Ankoatra ireo ankizy mpianatra mozika any amin’ireo se­koly manokana, nisongadina ihany koa ireo avy amin’ny toeram-pitaizana toa ny Soa­miely, izay efa tazana an-tsehatra tamin’ireo andiany teo aloha. Namarana ny fo­toana kosa ry Imanga Mandimby, nampifaly sy nampihira ireo nanatrika rehetra tamin’ireo hira vakodrazana. Antenaina ny hitohizan’ny hetsika amin’ny taona hoavy.

Zo ny Aina

Partager sur: