Tontolon’ny literatiora: Tafatsangana ny « Akanga tsara soratra »

Fantatra omaly, fa niorina ara-panjakana ny fikamba­nana « Akanga tsara soratra » ka any Mahafaly, Vatofotsy Antsi­rabe, ny misy ny foibeny. Ny tontolon’ny literatiora no iangalian’ireo mpikambana ao aminy, ahitana mpanoratra, poeta, mpihira, mpanao slam, mpikabary, mpilalao tantara, mpanao teatra, sns.
Tanjon’izy ireo ny hampitombo hasina ny literatiora malagasy izay maratran’ny fanantontoloana sy fifanto­hana diso tafahoatra amin’ny resaka varotra hany ka hadino ilay kalitao ifotoran’ny kanto. Mampiavaka ny « Akanga tsara soratra » ny fanomezana fahafahana feno amin’ny haiforon’ny tsirairay, ka hampisongadina ny harena ny fahasamihafana. Tsy hijanona ao Antsirabe ny fikambanana fa hiparitaka manerana ny Nosy. Hijoro tsy ho ela, ohatra, ny sampana Antanana­rivo, Am­ba­tolampy, Betafo ary Fara­tsiho.
Ireo mpintantana am-peri­nasa ao amin’ny « Akanga Tsara Soratra »:
Filoha: Rasolofomandimby Faniry Ezekiela (Faniry Eze­ckiel); Filoha lefitra: Manam­pisoa Santatriniaina Théodore (Andriamanalina Ni Avatsa); Mpitan-tsoratra: Herintsoa Ni­la­ina Najoro Nalahatra (Najoro Nilaina); Mpitam-bola : Santa­triniaina Hervé Mickael (Hiaka Mikalo); Tomponandraikitry ny serasera: Rafanomezantsoa Fiandrianana Henikiniavo An­ja­rahasina (Ny Avo Elaba­kaka).
“Maro ny hetsika hotontosaina… Hanandratra avo ny literatiora malagasy… Adidy goavana ny hanelezana ny fikambanana hahenika ny Nosy”, hoy i Faniry Ezeckiel.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: