TARATRY ny KANTO

Nodimandry teo amin’ny faha-81 taonany i Jimmy Cliff. Mpanakanto jamaikanina, anisan’ny nanan­dratra voalohany ny mozika nampiavaka ny fireneny, ary lasa mpankanto malaza iraisam-pirenena nandritra ny taona maro. Vokatry ny aretin-tratra efa an-taonany maro no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Maro ireo hiran’i Jimmy Cliff mitoetra mandrakizay, toy ny “Many Rivers to Cross” sy ny “Reggae Night”. Tsia­hivina fa efa niantsehatra teto Madagasikara ity mpanakanto ity ny taona 1996.
Mitohy ny adisisika ho fanoratana ny Fian­go­nana katolika ao Sainte Marie ho harembakoka iraisan’ izao tontolo izao. Izy ity no fiangonana kristianina niorina voalohany teto Madagasikara. Efa maro ny dingana nataon’ireo mpitantana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina nifandimby teo, izay heverina fa ho vita mialoha ny faran’ny taona 2025, raha ny nambaran’ny minisitra Mandrindrarivony Ogascar, nandritra ny fitsidihana nataony ny faran’ny herinandro teo.
Fahombiazana hatrany ilay tantara an-tsehatra ravahina mozika, « Alladin ». Naverina indray tao amin’ny CCI Ivato izany, ny alahady teo, ary mbola hipoka mpijery ny efitrano toa ny andiany teo aloha. Vokatry ny fahaiza-manaon’ireo olona marobe, nahitana mpiantsehatra, mpitendry, mpihira, mpanao cirques, sns, izany. Teo ambany fitarihan’i Betia, izay nandrindra amin’ny ankapobeny ny seho ireo. Efa tsy mena-mitaha amin’ny any ivelany.

Partager sur: