Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo.
Anisan’ny voaresaka tamin’izany ny momba ny fanadiovana ny tokotany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana tokana amin’ny alalan’ny fanavaozana ifotony ny fitantanana izany. Eo koa ny fanamboarana ny rafitra manontolo sy ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’izany. Manampy izany ny fanehoan’ny Panorama fa amin’ny alalan’ny foto-kevitra no ifidianana. «Tsy hisy intsony ny fanjakan’ ny vola amin’ny fifidianana », hoy izy ireo. Natsidiky ny Panorama koa fa vonona izy ireo hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikaonandoham-pirenena. Nanterin’izy ireo fa loharanon’ny fanovana ho amin’ny Repoblika vaovao ho tenieranan’ny demokrasia ny fanavaozana ifotony ny fitantanana ny lalàm-pifidianana
Tsiahivina fa 100 latsaka kely ireo mpizaika nandray anjara ho amin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny niatrika izany koa ireo mpianatry ny Oniversity eto an-drenivohitra, ahitana ny Gen Z KMSI. Teo koa ny avy amin’ny fikambanana sy mpiara-dia amin’ny Panorama, toy ny FLN sy ny vovonana avy any Toamasina ary ny avy any amin’ny faritra Diana. « Hita taratra ny fahavononana sy fandraisana ireo mpikambana vaovao hanatevina ny vondrona Panorama », hoy ny mpandrindra, Randrianirina Ignace na Ramasy.
Synèse R.




