Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana eny ifotony ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, voafidy tetsy amin’ny boriborintany fahadimy. Nambarany fa efa tafapetraka sy ara-dalàna ny Prefet vaovao. Eo koa ireo sefo distrika rehetra manerana ny Nosy, ka tokony handray andraikitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. « Takinay ny hanatanterahana ka hanafainganana ny fifidianana sefo fokontany sy ny lefiny amin’ny alalan’ny fivoriambem-pokonolona », hoy izy. Natsidiny anefa fa tsy misy idiran’ireo nanao ny tsy nety teo aloha ny fikarakarana sy ny fanomanana izany. Omena andraikitra ireo olobe sy raiamandreny eo anivon’ny fiarahamonina na tangalamena hisahana izany, araka ny nambarany. « Hapetraka ny fitsipika sy ny fampanarahan-dalàna ao anatin’izany mba tsy hiketrehan’ireo tsy maty voalavo an-kibo tamin’ny fitondrana teo aloha hahazo laka indray », hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notsiahiviny fa marobe ireo mpitantana eny anivon’ny fokontany nanao fanamparam-pahefana, kolikoly, nanao ny tsy ara-dalàna… Notakin’ity mpikambana eo anivon’ny vaomiera miady amin’ny kolikoly eny amin’ny Antenimierampirenena ity ny hanaovana fanadihadiana ireny sefo fokontany sasany, manerana ny Nosy, ireny.
Tsiahivina fa efa nikasa hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana sefo fokontany ny Prefet an’Antananarivo teo aloha, saingy nolavin’ireo depiote izany noho ny fandaminana tsy maintsy hatao mialoha.
Synèse R.




