«Ny hirahiram-poko»: Seho fahatsiarovana an’i Vola sy Noro

Fampiaraham-peom-behivavy nanamarika vanim-potoana iray manontolo. Tsy hadino mandrakizay, mbola homem-boninahitra ry Vola sy Noro sy ny talentany. Hisy ny seho ialohavan’ny fifaninanan-kira Vola sy Noro.

Efa ela no noketrehina… Na­maly ny hetahetan’ireo mpankafy amin’izay ireo mpandimby an’i Vola sy Noro. Hisy ny seho ho fanomezam-boninahitra ireto mpanakanto ireto, ho tsiaro sy tamberina ny taloha ihany koa. “Ny hirahiram-poko”, no lohatenin’
ny fampisehoana, izay nalaina tamin’ny hiran’i Vola sy Noro ihany. Hotontosaina ny alahady 14 desambra izao izany, ma­nomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Seho hamerenan’ ireo mpandimby sy mpamelo-maso ireo hira rehetra nanamarika an-dry Vola sy Noro hatramin’izay.
Manomboka amin’ireo nam­pisongadina azy roa tao amin’ny tarika Ny Railovy izany, izay maro tamin’ireny no noforonin’i Jerôme Randria. Rehefa tarika manokana ny Vola sy Noro, mbola nampiaka-daza ny fampiaraham-peon’izy mirahavavy, ry “Hifonako”, “Ekeko ry Tompo mahery”, “Imaintsoanala”, sns. Teo ihany koa anefa ireo sanganasan’i Paul Dason, izay toa narafitra tamin’ny feo sy fanahin’ny Vola sy Noro mihitsy: “anjavidy”, “sai­ka diso paika”, “Very maina”, “Aza kivy”, sns. Nisy koa hira vitsivitsy noforonin’ireo indray nihira tamin’izy mirahavavy izay mbola manohy ny mozika, toa an’i Bessa sy i Fanja Andriamanantena. Na­moron-kira vitsivitsy ihany koa i Vola, na dia tsy fantatry ny be­sinimaro aza, mbola hovelomin’ireo mpandimby an-tsehatra izany.
Mpandimby, ahitana taranaka mivantana fa misy taranaka teny an-tsehatra ihany koa. Nilomano, niaina, nandray ary hamelona sy hampita ny fanahin’ireo hira nataon-dry Vola sy Noro izy ireo. Ankoatra izay, amin’ny maha seho fahatsiarovana azy, nikarakara fifaninan-kira ho an’ny mpankafy ireo ta­ranaka mba sady ho fanehoana talenta no hanehoana koa ny fankafizana. Izay hira rehetra efa nataon-dry Vola sy Noro no hifaninanana. Mazava loatra fa fampiaraham-peo roa, araka izany, no andrasana amin’ny mpifaninana. Efa nisy ireo nandefa ny video tao amin’ny pejy “Vola sy Noro – Ny Railovy”, izay isafidianan’ny mpanaraka. Mbola manana hatramin’ny 6 desambra izao kosa ireo mbola te handray anjara amin’ny lalao. Hahazoana tapakila eny anoloan’ny sehatra, miandry fandraisana anjara mihira mihi­tsy izany, ny andron’ny fampisehoana.

Zo ny Aina

Partager sur: