Fandrosoana sy fivoarana : Matahotra ahafantatra tantara ny Malagasy ?

Raha ny fototra no tsy fantatra na tsy hay, sarotra ny handrosoana. Tsy ireo nanovo fahaizana tany amin’ny ambaratonga ambony ihany no ma­hay izany fa ireo rehetra miaina sy manaraka ary no­beazi­na tamina lamina voajanahary. Iray amin’ireny ny tantara. Mila hay, mila fantatra, sns, ho fototra hoenti-miainga.
Tsy vitsy amin’ny Malaga­sy, anefa, no matahotra tantara? Tsy te hierika tantara?… Na ny tantarany, na ny an’ny fianakaviany sy ny ankohonany, na ny an’ny foko nipoirany na ny tantaran’ny tanin-drazany… Mipaka hatrany amin’ny tantaran’ny fireneny. Hataho­rany avokoa ny mamantatra azy ireny? Tranga hita matetika any amin’ny firenena nandalo fanjanahan-tany (endriny tena izy sy endriny vaovao) io, indrindra fa aty amin’ny kaontinantan’i Afrika. Satria, tsy mbola manana saina sy fanahy misokatra araka ny tokony ho izy ny mponin’ny tany voazanaka noho ny tsindry nahazo azy ireny.
Tsy azo hajoro amin-java-tsy fanta-pototra ny hoavy sy ny ho avy. Io no anisan’ny mampatanjaka an-dry zareo Sinoa. Fantany ny momba azy. Tahaka izany ihany koa ny ankamaroan’ireo firenena tandrefana. Tsy mahagaga raha tsy afa-mikofoka ireo firenena giazan-dry zareo na amin’ ny lafiny inona na amin’ny endrika inona.
… Anjaran’ny raiamandreny isan-tsehatra ny mampita ny fototra ho an’ny taranany sy ho an’ny sehatra misy azy. Manampy azy ireny ny boky, ny arsiva, ny vakoka, ny zavakanto, ny kolontsaina, sns. Ha­namora izany, mila « mi­son­gona » ny tontolo politika ny tontolon’ny tantara ao anatin’ny fiarahamonina iray.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: