Asa fiomanana mialoha hitantanana ny loza : Hamoaka tondrozotra iraisana ny firenena ao amin’ny Sadc

Nanomboka omaly, eto Madagasikara, ny fivorian’ny firenena afrikanina mivondrona ao amin’ny Sadc, miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.

Haharitra hateloana ny fifampizarana ho an’ny firenena mpandray anjara, eny Alarobia. Hivoaka aorian’ny fihaonana ny lesoka sy ny vokatra tsara ary ny fa­nararaotra hamolavola tondrozotra iraisan’ny firenena rehetra mpandray anjara momba ny asa fiomanana mialoha ny loza na voina (rivodoza, haintany, tondradrano…)
Efa lasa aloha kokoa i Ma­da­gasikara amin’ny fitantanana ny loza voajanahary mi­hoatra an’ireo firenena hafa aty Afrika. Manana politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza isika, mi­araka amin’ny paikady nasionaly mifandraika amin’izany. Ny faritra tsirairay misedra loza voajanahary ma­tetika koa dia samy manana drafitrasa iatrehana izany avokoa izay havaozina isan-taona, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BN GRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Nisy atrikasa maromaro efa natrehin’i Madagasikara mom­ba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza taty Afr­ika, ha­trany Eoropa, ka mandritra izany ny mpikarakara no ma­me­traka fanombanana ny asan’ny firenena tsirairay mi­fan­draika amin’ny tondrozotra na­petraka. Nisongadina fa manana traikefa i Madaga­si­kara.
Najoro rahateo ny Fonds na­tional de contingence ahazoan’ny fanjakana mandrotraka vola hiatrehana ny loza. Ankoatra izay, ireo firenena mpiray ombon’antoka koa dia mandefa vola ao anatin’ny Basket fund, tantanin’ny FNC hanampiana ny mponina hiatrika sy hiarina aorian’ny fandalovan’ny loza. Ny fanjakana malagasy no mamaritra ny so­rabola araka ny vina ary soratana ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana holanian’ny andrim­­panjakana mpanao lalàna izany avy eo.

Vonjy

Partager sur: