Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ilana ny HCJ ny fitsarana ireo nanao ny tsy mety”

Nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Nitondrany fanazavana tamin’izany ny raharaham-pirenena.

”Omena ohatra ny va­hoaka malagasy fa tena atao ny ady amin’ny kolikoly. Nisy ny teny mita navoaka fa hotsaraina amin’ny fitsarana ambara­tonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ)”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara, kolonely Randria­nirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety Maryam Feudjio, tao amin’ny “La grande interview”. Fandaharan’ny televiziona rosianina RT tamin’ny 20 novambra izany, nozarain’ ny masoivoho rosianina tamin’ ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Efa misy ny ezaka amin’ny fanenjehana ireo nangalatra sy nandroba ny ha­rem-pirenena nandritra ny taona maro. Mba hanehoana ohatra izany ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny tomponandraikitra. Ady amin’ny kolikoly izay, mitondra ho amin’ny fanovana ny firenena.

Fiaraha-miasa samy mahazo tombony

Vonona mandrakariva amin’ny fiaraha-miasa ny fi­tondrana, rehefa samy ma­hazo tombony. Tsy afa-mivo­aka i Mada­gasikara rehefa tsy misy ny fiaraha-miasa amin’ny hafa sy ny fandraisana vahiny mpampiasa vola. Tsy tokony hanana ahiahy ny amin’izany i Fran­tsa, fa misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara.
“Misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara. Afaka miara-miasa amin’i Amerika, Fran­tsa, Rosia, indrindra i Afrika satria Afrikanina aho”, hoy izy. Tsy mbola ao anatin’ny Tete­zamita izao, fa ao anatin’ny fanorenana ifotony ny Repo­blika. Miezaka mamaly ny fitakiana ny fitondrana ao anatin’ ny fe-potoana tena fohy. Ha­ma­liana izany ny hametra­hana vovonana hahazoan’ny tanora maneho ny heviny amin’ny alalan’ny parleman­tan’ny tanora. Eo koa ny fikaonandoham-pirenena ato ho ato, hahazoan’ny mpisehatra rehetra misy maneho ny faniriany sy ny fitakiany.

R. Nd.

Partager sur: