Asa re rey olona na mizotra mankaiza ity fitantanana firenena ity? Raha olon-tsy mahay raha amin’ny politika sy ny kajikajy mifandraika amin’izany dia very. Nanaitra kely na tsy mahagaga aza ny filazana nataon’ny mpitondra fa tsy mbola tetezamita indray hoe isika ity. Mbola Repoblikan’ny Fanavaozana izao. Mila fanazavana misimisy kokoa ilay toe-javamisy sy tena marina.
Tsy vanim-potoana ny fifamahofahoana indray izao. Mila miroso sy miasa haingana ny fitondrana fa tsy tokony hitarazoka amin’ny resaka rafitra sy paipaikady politika. Vokatra miantraika amin’ny andavanandron-dRamalagasy araka ny nilokalokana teny am-pitolomana. Tsy endrika ivelany na ravidravina atentina no andrasana. Fanavaozana tena izy araka ny teny filamatra.
Araraotina ihany ny hanipanipazana ny teny ho an’ny mpitondra fanjakana amin’ny fomba fanaovana serasera. Miverina tsikelikely amin’ny fanao tsy nahomby tamin’ny nodimbiasana ny sasany. Jiro sy rano voavaha no ilaina sera miparitaka fa tsy tomponandraikitra maka sary eny amin’ny vary mitsangana. Hafatra tsy mahakasika ny tombontsoan’ny besinimaro no vakian’ny mpanaraka facebook fa fivarotan-tena sy filalaovana ny fon’ny Malagasy.
Tsy fitia hanenjika na fitia hanakiana fa faniriana mba hisian’ny fototra tsara hiaingan’ny fanavaozana no hisintomana lakolosy. Mendrika tena fiovana sy fanavaozana ilay taninjanaka malalantsika. Tsy sahaza azy intsony ny fiovana mpitondra fa fanovana ilay rafitra sy fomba fanao. Samy tompon’andraikitra amin’izay hiseho sy iainana eto Madagasikara anefa isika mianakavy. Rehefa tsy hanaja ny toky nifanomezana.
Tsy mitondra mankaiza ny fiovaovan-kevitra an-dalana. Mila fiaraha-mientan’ny tsirairay ny fanapahana na ho Repoblika izy izao na ho teteza-miitatra. Teny ierana no zava-dehibe. Madagasikara dia mila tena fitiavana. Ny Malagasy koa miandrandra fiainana tsaratsara.
r.r




