Depiote Ramilison Nomenjanahary: « Aoka tsy ho lany andro hifanaratsy isika »

Naneho ny heviny ary na­hitsy ny depioten’i Fara­tsiho, Ramilison Nomenjana­hary, manoloana ny raharaham-pirenena. «Tsy tokony ho lany andro hanaratsy ny hafa isika mpisehatra politika. Aoka hikatsaka ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Nam­barany fa tsy fotoan’ny fifanaratsian’ny samy mpanao poli­tika na antoko politika izao. Tokony hapetraka ho laharam-pahamehana ny tombon­tsoam-bahoaka, araka ny nambarany hatrany. Efa aty amin’ny fanovana izao ka tokony hiova ny rehetra. « Tsy ny mpitondra na ny olom-pirenena ihany fa ny mpanao politika no tena tokony hiova voalohany. Tsy izany ny fanavaozana», hoy ihany izy. Nen­taniny ny mpanao politika rehetra hitodika amin’ny fa­novana sy amin’ny asa miantraika any amin’ny vahoaka. Nohi­tsiny fa tsy mahasoa ny fi­renena ny fifanenjehana amin’ ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Maro ireo manana hevitra sy vahaolana sy manana fahavononana ka tokony ha­petraka mihitsy aloha ny hambom-po politika. « Zary lasa mitovy amin’ny mpitondra teo aloha isika raha izany ka aoka mba ho ny firenena aloha no jerena », hoy ihany izy. Nam­barany anefa fa any amin’ny fifidianana vao tokony hifampitady.
Momba ny fandinihana ny tetibolam-panjakana farany teo, notsindriny fa tena sahy sy nahitsy ary nitondra soso-kevitra tamin-kahalalahana ireo depiote. Nanitsy izany fa tsy maika tamin’ny tsangan-tanana, nahazatra teo alo­ha. Teo koa ny fahatongavan’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ara-potoana. Efa fiovana lehibe izany, araka ny nambarany. « Hanara-maso ny fanatanterahan’ny governemanta izany izahay izao », hoy ihany ny depiote Mily.

Synèse R.

Partager sur: