FANTINA sy FINTINA

Misaona ny antoko Tim. Nodimandry, omaly, ny ben’ny Tanànan’Ankaraobato, Atsimondrano, Randriamiandrisoa Gilbert. Nitsapa alahelo teny an-toerana ny mpikambana sasany eo anivon’ny fikamban’ny ben’ny Tanàna manerana ny Nosy, tarihin’ny filohany, Rado Ramparaoelina.
Nanao ny fianianany amin’ny maha filohan’ny « Forum parlementaire de la Sadc » azy tatsy Afrika Atsimo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randri­ana­soloniaiko Siteny. Tafiditra amin’ny ho fanamafisana ny fanohizana ny toerana maha filohan’ny FP-Sadc izany taorian’ny fiovam-pitantanana teto amin’ny firenena.
Mijoro amin’ny fomba ofisialy ny Fikam­banan’ny olom-pirenena mijoro amin’ny fahamarinana (Fom). Manana vina ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara izy ireo noho ny adidy amin’ny firenena sy ny vahoaka. « Vonona izahay hanohana amin’ny fanavaozana sy fanarenana ny firenena », hoy izy ireo.
Tonga hitondra ny hetahetan’ny vahoaka sy ny tombontsoan’ny distrika, nifidy azy ireo, ny depiote telo mianaka, Sahondrarimalala Marie Michel, Razafinjato Aurèlie ary Mara Volamiranty Donna, araka ny nambarany teny Tsimbazaza, omaly. Tsiahivina fa efa depiote izy ireo teo aloha fa lasa minisitra. Niverina ho solombavambahoaka indray izao.

Partager sur: