Tsy nisy ny sekoly tahaka ny ahitana azy ankehitriny. Tsy nisy ny toeram-panandramana isan-karazany. Na ny soratra voarafitry ny alfabeta aza, tsy nisy… Tsy nataon’ny Malagasy ho sakana izany fa niaina sy nampiasa ny nomen-Janahary azy izy.
Taona 2025, mbola misy manafangaro ihany ny atao hoe fahaizana sy fahalalana, ny fahalalana sy ny finoana, sns. Tsy mba nanana ireo fitaovana isan-karazany hoenti-mandrefy, na manoratra, na manandrana, sns, izy. Tsy nanana sekoly (ahitana rindrina efatra) nentina nampitana fahaizana sy nandrefesana izany fahaizana izany (diplaoma, mari-pahaizana)… Noho izany, ny fahalalana ny tontolo manodidina azy no namolavola sy nitaiza ny maha olona azy (fanahy, fo, saina, vatana). Tsy niala tamin’ny voajanahary (na zavaboahary) sy ireo lamina napetrany ireny fahalalana ireny. Rehefa nolalovan’ny aretin-kibo ny Malagasy, nampiasainy ny mandravasarotra sy ny ravina goavy. Hanomboka zavatra na asa lehibe, nampiasainy ny volana eny an-danitra, sns. Fahalalana avokoa ireny.
Tsy nitazona na namihina ny fahalalany ny Malagasy fa nampita izany tamin’ny alalan’ ny takariva amorom-patana, dinika sy tafa, angano, arira, anatra… Ny ray aman-dreny no nanatanteraka izany tao amin’ny ankohonana. Ireo fotsivolo amin-tany (raiamandreny sy olon-kendry ary olon’ ny fahalalana) kosa raha teo amin’ny fiarahamonina. Satria, nahatokisana ireo. Tsy nisy nitady porofo tamin’ireo lovam-pahalalana nananan’ny razany ny Malagasy.
… Io fikatsahana na fitadiavana porofo avy amin’ny fahalalana io no tsy tafiditra tao anatin’ny fahaizana ka nahatonga ny vahiny hivoy mafy ny « finoana ». Nambaran-dry zareo sy hizingizininy fatratra fa finoana na finoanoam-poana ny fahalalan’ny Malagasy. Rehefa nafangarony tamin’ny fivavahana indray izany avy eo dia nanjary « asan’ny maizina ».
… Io fomba fiheverana vahiny io no nanjary nibahan-toerana ao anatin’ny fiarahamonina malagasy ka nahatonga azy ho sadasada tahaka izao.
HaRy Razafindrakoto




