Taona 1995, taona namirapiratan’ny kolontsaina Hip-hop maneran-tany. Nanaraka ny fitsokan’ny rivotra ka nitrandraka izay mety teto amin’ ny tanàna koa ireo tanora tamin’izany. Namaky lay ny rap gasy ry Da Hopp, fa tsy lavitra teo ary niara-nanonga tamin’izy ireo ry North & Center. Katroka tamin’ity taona ity ny 30 taona, izay homarihin’ny tarika amin’ny hetsika mendrika izany.
Fampisehoana goavana, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena no homanin’ny North & Center, ny alahady 30 novambra izao, amin’ny 3 ora tolakandro. Ho vahinin-dry KD sy ny tariny mandritra izany ireo namany niara-nilomano tao anatin’ny HH, nandritra izay 30 taona izay. Eo ireo niara-nanomboka toa an-dry Da Hopp, Slam Jah, Doublenn, Samantha sy Kaya, narahin-dry Big Jim da, Big Tovolah, Ray Lasy, Donat, Sphynx, Kilowatt, Krutambull, Meizah… Hanao ny fanentanana i Mc Didi Man, ampian’ireo mpikosoka kapila Diojay, Dj Raslom ary Dj Smart.
Raha tsiahivina ny tantara, niainga tamin’ny fihaonan’i Murphy sy i K.D tany amin’ny kôlejy izany. Samy nirona tamin’ny Hip-hop, ka nanapa-kevitra ny hampiaraka ny aingam-panahiny izy ireo. Murphy avy any avaratra, K.D avy eto afovoan-tany, ka nalaina tamin’izay ny anarana North & Center. Samy mpamoron-kira, izay nohatevenin-dry Randy taty aoriana, ka namoaka ireny hira tsy lefy laza ireny. Ny « Revy sa ditra, ditra sa revy ? » izao tena nanamarika vanim-potoana iray, mitantara ny fiainan’ny tanora amin’ny ankapobeny, ary nakana aingam-panahy tamin’ilay sarimihetsika mihitsy. Nisy fotoana tsy namoaka hira aman-taonany ny tarika, saingy izay nivoaka rehetra kosa dia voarain’ny mpankafy. Horefesina hoe hatraiza izany fankafizana izany amin’ny alahady izao.
Zo ny Aina




