Toromariky ny filoham-panjakana: Hatao amin’ny teny malagasy ireo taratasim-panjakana

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika avy amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Anisan’izany ny fitantanan-draharaham-panjakana.

«Tokony hanaovana ezaka ny handikana amin’ny teny ma­lagasy ny taratasim-pifandraisan’ny fanjakana amin’ireo mila raharaha rehetra momba izany», hoy izy. Nampaha­fan­tatra koa ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika fa misy olona milaza ho iraky ny filoham-panjakana mandeha eny anivon’ny minisitera sy ny sampandraharaham-panjakana, manome baiko sy manery ireo tomponandraikitra. « Entanina isika mba hitandrina amin’izany fihetsika miendrika fisolokiana izany ka hitakiana hatrany ny fanamarinana mifanaraka amin’ny iraka atao », hoy ihany izy. Etsy andaniny, naaton’ny fitondram-panjakana ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale), araka ny fampitana am-bava, nataon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. To­kony hanomboka ny 1 desambra izao anefa izany.
Maromaro koa ireo fanafoanana fanendrena masoivoho sy solontena ara-diplaomatika any ivelany. Anisan’izany ny nanesorana ny ambasadaoron’i Chine, Robinson Jean Louis. Tahaka izany koa ny solontenan’i Madasikara any amin’ny Unesco, Frantsa, i Yvette Sylla sy ny any Soisa ary ny eo anivon’ny Firenena mikambana any Geneve. Nesorina amin’ny toerany koa ny masoivoho sy ny solontena any Maraoka.
Ho andro tsy iasana ny « Taom-baovao Malagasy »
Ankoatra izany, voatendry ho talen’ny birao misahana ny fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Rakoto­ma­monjy Patrick. Voatendry ho tale jeneralin’ny famerenana ny fananana amin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), Andrian­jatovo Rado Anjaranirina.
Nankatoavina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny asa efa natao momba ny fankatoavana ny daty tokana hanamarihana ny «Taom-baovao Ma­la­gasy» mba ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama.

Synèse R.

Partager sur: