Mbola miandry

 

Mbola misangodinkodina be, tsy hita hoe ahoana marina ity raharaham-pirenena ity. Samy mandray izay tiany handraisany izay miseho ny olom-pirenena. Hatreto tokoa anie tsy hay hoe Tetezamita sa Repoblika?  Fanina mihitsy aloha raha tsy mbola mahay ny hodidina politika eto amin’ny tanàna. Mila maharaka tantara mihitsy mba tsy ho very any anatinaty kajy.
Amin’izao fotoana izao, mbola hisavoritahana aza ny fakana seza. Ny tena nitolona toa an-dry be bokotra aza izao vao nahazo toerana kanefa dia anisan’ny tena angady nananana sy vy nahitana izao fanovana izao. Izao vao tafapetraka an-dapa tsikelikely ry zalahy nitolona. Ny mpa­nohana sy mpamatsy vola rahateo tsy maintsy homena fahafaham-po. Maka jinjany amin’ny fizarana tombontsoa.
Raha izay tena fanavaozana izany aloha dia tsy misy azo tsapain-tanana. Ny olona nomena seza no voaova. Ny sisa manaraka ihany. Ny seza rahateo no ihazakazahana ankehitriny. Mahita izany filaharana lapa sy biraom-panjakana hanatitra antontan-taratasy izany dia mampiteny ny tsy mahay miteny mihitsy. Olona izany manatitra CV ho tendrena izany. Tsy hita ifanomezan-tsiny fa mampieritreritra tanteraka.
Ny tiana hambara dia mbola mitaky fifohazana faobe mihitsy ny fitiavan-tanindrazana. Ny hita taratra, hatreto, manjaka ny fikatsahana tombony manokana sy an’olom-bitsy. Miandry ny an’ny besinimaro. Tanjon’ny rehetra dia ny hoe sitrany ahay izahay indray aloha. Asa mety mba oviana no hiafaran’ny tiatia kely. Ny azo antoka aloha tsy ho ato ho ato. Samy manavotra ny ainy, zara aza afaka ny geja teo aloha. Araraotina ny mety ahitana ny hirika hisitrahana izay azo ho sitrahina.
Fehiny, lavitry ny afo ny fanavaozana tena izy. Tsy maintsy miandry fikopakopahana misimisy kokoa ny zava-drehetra. Mitaky fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa misimisy kokoa amin’ny ankolafin-kery rehetra.

r.r

Partager sur: