Tsy tokony ho fialokalofan’ny mpanao ratsy ny Andrimpanjakana, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny FMI Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Anisan’izany ny Antenimierampirenena. « Tsikaritra fa ihazakazahan’ireo mpanao politika manana dosie maloto ny mirotsaka hofidina depiote. Tokony hanokafana fanadihadiana izy ireny », hoy izy.
Hihazo any Frantsa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo tanàn-dehibe any an-toerana ny tenany ka hihaona amin’ny ben’ny Tanànan’i Paris, Hidalgo. Horesahina ny lafiny fifamoivoizana. Eo koa ny handehanany any Montpellier ka handinihina ny fanokafana sekolin’ny sinema eto amintsika.
Miantso ny minisitry ny Fitsarana ny zanaka Antagnala, any Ikongo, mba hihaino sy hijery azy ireo. Anisan’ny olana any an-toerana ny halatra taova sy voamaso. Eo koa ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana isan-karazany. Manampy ireo ny fiakaran’ny vidim-piainana. Niantso ny mpitandro filaminana sy ny minisiteran’ny Asa vaventy koa izy ireo.
Hiakatra fitsarana ao Moramanga, rehefa nalain’ny zandary, ireo voarohirohy tamin’ny hosoka sy halatra sonia amin’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Andriamena, Tsaratanàna. Manahy anefa ireo vahoaka fa toa hoe misy manampahefana mikasa hanelanelana izao raharaha izao. Matoky ny fitsarana izahay, hoy ireo vahoaka.




